Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpanao hosodoko : « Maro ireo nanary ny fitaovany », hoy i D’Ange

Mpanao hosodoko : « Maro ireo nanary ny fitaovany », hoy i D’Ange

Zavakanto anisan’ny nampamirapiratra ny Malagasy fahiny ny hosodoko. Ankehitriny, zara raha misy manao azy ity… « Nampianatra ny teo aloha. Nampita fahalalana izy ireo, saingy maro aminay mpanao hosodoko no efa nanary ny fitaovany satria sarotra ny miaina na mivelona aminy », hoy i D’Ange.

Raha ny fanazavan’ity mpanao hosodoko ity, anisan’ny olana goavana mianjady amin’ny hosodoko sy ny Malagasy mpanao hosodoko ny tsy fisian’ny toerana ivarotana. « Hatramin’izay nanafoanana ny hosotra izay, nidina be ny fanjifana, satria saika vahiny ny ankamaroan’ny mpanjifa », hoy i D’Ange. Nomarihina anefa fa anisan’ireo sehatra iraisam-pirenena nahasarika vahiny tokoa ny « Hosotra ». Azo atao tsara ny manao hosodoko maro rehefa maro ny mpanjifa, raha ny fanazavany.

Ho an’ny Malagasy manokana, « tena tia sary, saingy mbola mila beazina eo amin’ny tontolon’ny fanjifana. Mbola vitsy amin’ny Malagasy ny mahafantatra ny lanjan’ny hosodoko. Tsy mbola tafapaka any amin’ny Malagasy ny maha harena sarobidy sy tsy manam-paharoa ny asa famoronana », hoy hatrany i D’Ange.

Tsetsatsetsa tsy aritra ny ilazana fa efa nizotra tsikelikely tany amin’ny lalan’ny « tsena iraisam-pirenena » ny « Hosotra » tetsy amin’ny Esplanade Analakely. Maro ireo vahiny, indrindra fa ny avy amin’ireo Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina no tonga teto Antananarivo.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.