Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga : jiolahy nanafika tranombarotra voasambotry ny zandary

Mahajanga  : jiolahy nanafika tranombarotra voasambotry ny zandary

Efa-dahy voalaza fa jiolahy raindahiny ao Mahajanga no voasambotry ny zandary tany Mangatokana. Araka ny nambaran’ny zandary, tompon’antoka tamin’ny fanafihana tany Ankivonjy Ambalakida, Mahajanga II izy ireo. Fantatra fa enin-dahy nitondra basy enina izy ireo ka nanafika mpivarotra ambongadiny. Voaroba tamin’izany ny vola 1.900.000 Ar niaraka tamin’ny entam-barotra marobe. Raha ny vaovao  voaray ihany, nanapoaka basy ireo olon-dratsy izay anisan’ny nahatonga azy ireo tsy nisy nahavoasakana. Tratran’ny vela-pandrika kosa izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity ka voasambotra ny efa-dahy. Mbola karohina noho izany ireo namany roa lahy tafatsoaka.

Anisan’ny faritra mafana amin’ny asan-jiolahy ihany koa ny any Mahajanga. Lasibatra amin’izany ny mpivarotra lehibe sy ny Karana. Nisy fotoana nisesisey mihitsy ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tany an-toerana. Manao ny ezaka hatrany ny mpitandro filaminana, raha ny fanazavana azo, ka anisan’izany izao nahazoam-bokatra izao. Mitohy, noho izany, ny famotorana manodidina ity asan-jiolahy ity.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.