Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HJRA : nampahery ireo naratra ny ben’ny Tanàna

HJRA : nampahery ireo naratra ny ben’ny Tanàna

Nitondra fanampiana ho an’ireo naratra mafy tamin’ilay lozam-piarakodia mahatsiravina tany Anjozorobe, omaly, tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny ben’ny tanànan’Antananarivo Ravalomanana Lalao sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

Nitondra ny teny fampaherezana koa izy tamin’izany ho an’ireo fianakaviana nanana ny maty tamin’iny loza iny, izay nahafatesana olona 47, ary nisy naratra mafy ampolony. Ankoatra ny fanomezana ranom-boankazo sy fampaherezana ireo naratra mafy, nanome fanampiana ho an’ireo marary hafa niray efitra tamin’ireo niharan-doza tany Anjozorobe ihany koa ny ben’ny Tanàna.

Nambarany tamin’izany fa tonga nampahery sy nitondra ny teny fampiononona ho an’ny fianakavian’ny niharam-boina izy amin’ny maharaiamandreny eto amin’ny tanàna azy satria eto amin’ny tanànan’Antananarivo no misy ny hopitaly HJRA itsaboana ireo maratra tra-doza ireo. “Mafy ilay marary ka ilaina hatrany ny fifanomezan-tanana amin’ny mpiara-belona tratra ny tsy nampoizina toy izao”, hoy izy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.