Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bisikileta – «VTT Bira descente» : lasan’i Tiaray sy i Rado ny amboara

Bisikileta – «VTT Bira descente»  : lasan’i Tiaray sy i Rado ny amboara

Fahombiazana tanteraka ny andiany voalohany tamin’ny fifaninanana hazakazaka am-bisikileta tsy mataho-dalana na ny “VTT Bira descente”, notontosaina tany Ambohidava Antsirabe ny alahady 29 janoary lasa teo. Nisongadina ny zava-bitan-dRasoavatsara Tiaray, teo amin’ny sokajy “senior”, ho an’ny “vélo avec suspension”. Vitany tao anatin’ny fe-potoana 1 mn sy 03, 26 s ireo dingana samy hafa tsy maintsy novitaina, ity ny sakana dimy tsy maintsy tanterahina sy ireo fiolahana, miisa roa ary ny fandehanana amin’ny tohatohabato  iray.

Ho an’ny “vélo sans suspension”, sokajy “senior” kosa, norombahin’Andrianoelijaona Rado ny fandresena. 1 mn 06, 71 s ny nahatontosany ny fifaninanana ary nampiaiky ny rehetra ny fahaiza-manaony. Ankoatra ireo, nisy koa ny fihaonana teo amin’ny sokajy zandriny ka voalohany ho an’ny “junior”, Ramamisoa Fabrice, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 1 mn 06, 36 s, raha i Aroniaina David, ny teo amin’ny “minime” nahazo fe-potoana 1 mn 14, 41 s ary i Patrick ny teo amin’ny “vétéran”. Sokajy tokana ny teo amin’ny vehivavy kosa,  norombahin-dRasanjison Lala, nahavita ny fihaonana tao anatin’ny 1 mn 21, 28 s.

Marihina fa nahatratra 110 ny isan’ireo mpifaninana, nahitana ireo efa za-draharaha sy ireo mpanavao. Afa-po ny Bira Moto Club sy ny Bikers 110 mpikarakara, notohanan’ny Cycle Madagascar Momotas. Miandrandra ny andiany faharoa sahady ireo mpifaninana sy ny mponina any Antsirabe.

Synèse

 

Les commentaires sont fermées.