Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beriziky : “Tsy lazaina fotsiny ny fampihavanana”

Beriziky  : “Tsy lazaina fotsiny ny fampihavanana”

 « Azo tsoahina tamin’ny famelabelaran-kevitra nataon’ny kardinaly Pietro Parolin iny, ny fitadiavan’ny fiangonana ny hoe fampihavanana. Mandray anjara amin’izany ny katolika, mifikitra amin’ny foto-kevitra sosialin’ny Eglizy. Raha ny fiainana politika eto amintsika, tokony hazava amin’ny rehetra izany fampihavanana izany. Tsy lazaina am-bava fotsiny nefa ny kibay an-kelika ihany”, hoy ny Praiminisitra teo aloha, Beriziky teny Mandrimena, afakomaly. Anisan’ireo mpanao politika nanatrika ny velan-kevitra nataon’ny kardinaly Parolin ny tenany ary naneho izany hevitra izany. Niaiky ny tenany fa ilain’izao tontolo izao ny fampihavanana, indrindra amin’ny tany misy tsy  fifankahazoana sy ady. “Zavatra iray lehibe tsara tazonina izany. Tokony hatao ny fitantanana madio, tsy misy an-kolaka sy mangarahara. Mifanaraka amin’izany ny asa rehetra hiadiana amin’ny zavatra mampahory ny vahoaka, toy ny tsy fandriampahalemana, kolikoly, tsy fahaiza-mitantana, fitiavan-tena”, hoy ihany izy. Andrasana  ny fandavan-tena avy amin’ny rehetra izany ; takina manokana hanana izany ny zanaky ny fiangonana, araka ny fanamafisany. Ho an’ny rehetra izany, tsy misy anavahana ny hafatra avy amin’ny sekreteram-panjakan’i Vatikana, raha fintinina.

Nangonin’i R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.