Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanamitarana (Diana) : afaka mianatra informatika ny vehivavy

Antanamitarana (Diana) : afaka mianatra informatika ny vehivavy

Nahazo toerana ahafahana mikirakira ny informatika ny fikambanam-behivavy eo amin’ny kaominina Antanamitarana, faritra Diana ao Antsiranana II, avy amin’ny fondation Orange. Tanjona ny hanampy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fampiasana ordinatera ary ny logiciel fototra. Azo ianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy, fitantanana varotra madinika ny fitaovana vaovao. Maimaimpoana ny fianarana izay natao hahomby satria miova amin’ny fomba mahazatra, hoy ny tomponandraikitra. Toeram-pianarana ho an’ny vehivavy faha-12 izao notokanana tany Antsiranana izao. Natolotra nandritra ny lanonana koa ny tablettte 10, ordinatera dimy sy kojakoja maromaro miaraka aminy ahafahan’ny ivontoerana mihodina tsara. 1 500 ny vehivavy mahazo tombontsoa amin’ny fijoroan’ny maison digitale 11 manerana ny Nosy.

Ankoatra ny vehivavy, nahazo ny anjarany koa ny mpianatra ao amin’ny CEG Antanamitarana satria nizarana tablette 50 miaraka amin’ny fahitalavitra, vidéo projecteur sy ny raki-kevitra toy ny Wikipédia ary ny fandaharam-pianarana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Miara-miasa ny minisitera sy ny fondation Orange mametraka ny fanabeazana nomerika manaraka ny fivoaran’ny teknolojia vaovao.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.