Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambalatavoahangy : tsy vaky izany ny fonja

Nampiantso mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany ny lehiben’ny fonjan’Ambalatavoahangy, Ralay Christian momba ny resabe niely tany an-toerana indrindra tany anaty tambajotra sosialy. « Tsaho niniana naparitaka entina handotoana anay mpandraharaha fonja eto Toamasina ireny. Tsy vaky velively ny fonjan’Ambalatavoahangy », hoy izy. Nolazainy fa milamina ny ao amin’ny fonja ary manao ny asa fanaony andavanandro ny mpandraharaha fonja ao Ambalatavoahangy. Niantso manokana ireo mpanely tsaho hampitsahatra ny fampielezana tsaho miteraka savorovoro amin’ny vahoaka hatrany ny lehiben’ny fonjan’Ambalatavoahangy. Araka ny fampitam-baovao hatrany, miisa 919 ireo voafonja ao Ambalatavoahangy ka ny 282 no efa voatsara. Nahatratra 167 kosa ireo voafonja nisitraka manokana ilay famelan-tsazy nomen’ny filoham-pirenena, ny faran’ny taona 2016 lasa teo.

Sajo

 

Les commentaires sont fermées.