Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

21 febroary : hiaraha-mientana ny fanamarihana ny Andro ho an’ny tenin-dreny

21 febroary  : hiaraha-mientana ny fanamarihana ny Andro ho an’ny tenin-dreny

Ezahana hafonja ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny, ny 21 febroary, amin’ity 2017 ity. Hiara-hientana amin’izany ny foibe momba ny teny an’ny Akademia malagasy, ny fikambanan’ny poety sy mpanoratra Havatsa Upem sy ny Faribolana Sandratra. Eo koa ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny asa tanana ary ny Federasion’ny mpikanto ny teny sy ny soratra.

Hotanterahina eny amin’ny lapan’ny Akademia malagasy ny lanonam-panokafana ny fanamarihana, amin’io talata 21 febroary io. Anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-potoana ny vela-kevitra sy ny famakiana ny hafatry ny Unesco* mahakasika ity fankalazana ny Andro eran-tany ho an’ny tenin-dreny ity. Eo koa ny antsa tononkalo, iarahana amin’ireo mpanoratra avy amin’ny fikambanana samihafa.

Ny hariva kosa, mbola hisy ny vela-kevitra eny amin’ny efitrano Rado eny amin’ny Tranombokim-pirenen­a Anosy. Hiompana amin’ny hoe “Ny hasin’ny teny Malagasy” ny resaka amin’io fotoana io. Hisy sokajiny telo izany vela-kevitra izany. Mandritra io tontolo andron’ny 21 febroary io hatrany, hisy fampirantiana momba ny teny malagasy sy varotra boky, eo amin’ny Tahala Rarihasina.

Irarian’ny mpikarakara izao hetsika manodidina ny Andro eran-tany ho an’ny tenin-dreny izao ny hampiova ny toe-tsain’ny tsirairay, hitahiry sy hamelo-maso hatrany ny tenin-dreny, ny teny malagasy, harena tsy hay vidiana ho antsika Malagasy.

Landy R.

*Unesco: Sampan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana, ny siansa ary ny kolontsaina.

Les commentaires sont fermées.