Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vonoan’olona teny Andohatapenaka : nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy nikapa olona tamin’ny famaky

Vonoan’olona teny Andohatapenaka  : nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy nikapa olona tamin’ny famaky

 Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny asabotsy teo ilay jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona teny Andohatapenaka. Karohina kosa ny namany roa lahy antsoina hoe Eugène sy Radadatoa. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika voalohany, lehilahy miisa efatra no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona sy ratra niniana natao ity teny Andohatapenaka Avaradozoka, ny alahady 22 janoary 2017 tamin’ny 7 ora hariva. Raha ny zava-nitranga tamin’io fotoana io, nandeha nanatitra ny zanaky ny rahalahin-drainy antsoina ho Noely teny Avaradozoka ny mpiralahaly iray tampo. Rehefa nandalo paompin-drano izay feno bidao nilahatra marobe izy ireo, voadonan’ilay zanaky ny rahalahin-drain’izy roa lahy ny telo tamin’ireo bidao mavo ireo. Nijanona nanarina ireo bidao sady niala tsiny tamin’ny tompony ny iray amin’izy roa lahy mpiray tampo. Nanenjika azy telo lahy avy hatrany ilay tovolahy tompon’ilay bidao mavo sady niantso namana tao amin’ny bar iray teny an-toerana. Efa-dahy no nivoaka tao ka nandeha naka famaky tany an-tranony ny iray amin’izy ireo raha nanongotra bois rond tamina tetezan-kazo iray kosa ny namany. Niharan’ny daroka bois rond sy voakapa famaky teo amin’ny lohany ilay tovolahy nanarina ilay bidao mavo ka maty tsy tra-drano. Lasa nitsoaka ireo nahavanon-doza taorian’izay.

J.C

Les commentaires sont fermées.