Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahanoro : tratra ireo jiolahy mpangalatra lavanila

Mahanoro  : tratra ireo jiolahy mpangalatra lavanila

 Hatolotra ny fampanoavana ao Vatomandry ireo jiolahy enina voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpivarotra jirofo tany Mahanoro, ny alarobia alina teo. Nahitana basy poleta iray tany amin’ireto jiolahy ireto nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny lehiben’ny kaomisaria ao Mahanoro, avy nivarotra jirofo milanja 530 kg ny raim-pianakaviana iray tamin’io fotoana io ka mitentina 5 tapitrisa Ar ny vidin’ireo jirofo ireo. Notafihin’ny jiolahy nitondra basy tao an-tranony anefa izy taorian’izay. Lasa avokoa ny vola rehetra sy ny antontan-taratasy samihafa. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy rehefa nahazo fampandrenesana momba ity fanafihan-jiolahy ity. Nampiasa ny fahaiza-manao ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mahanoro mba hahafahana misambotra ireo jiolahy. Ny alakamisy teo, hitan’ny polisy ny telefaonin’ireo jiolahy izay latsaka nandritra ny fifanjevoana, ny alin’ny alarobia nitrangan’ny fanafihana. Niainga avy amin’io telefaonina io ny fisamborana ny iray tamin’ireo jiolahy ka nahafahana nisambotra ireo namany hafa. Ny antsasaky ny vola sisa hita tany amin’izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Mitohy ny famotorana ataon’ny polisy momba ity raharaha ity.

J.C

 (Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.