Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Feo, gitara, melodica : hampiaraka talenta i Fara, i Mbola ary i Orad

Feo, gitara, melodica : hampiaraka talenta i Fara, i Mbola ary i Orad

Hiran’ny taona 80 sy 90, amin’ny rindra araka ny talentan’ny mpanakanto. Mampanantena seho miavaka i Fara Gloum, Mbola Talenta ary Orad Manalina.

Tsy zoviana amin’ny maro i Fara Gloum sy ny fifehezany ny vazo an-gitara. Toraka izany i Mbola Talenta, mpitendry gitaran’ny Zandry Gasy sy mpanaraka mpanakanto maro hafa ihany koa. Tsy latsa-danja amin’ireo i Orad Manalina, mpiangaly ny vata maroafitsoka ao anatin’ny tarika Green, ary milalao ny melodica sy ny gitara beso ihany koa ankoatra ny maha mpihira azy. Izany talenta marolafy izany no indray hampiarahan’ireto mpanakanto ireto, ka nanome rindra vaovao ireo hira efa fantatra ihany fa amin’ny endriny hafa.
Ho an’ireo tsy mbola nahita na naheno, fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny Trass Tsiadana izy telo mianadahy ny alin’ny zoma 3 febroary izao. Ankoatra izay, efa misy ny rakitsary maneho ny santionan’ny fiarahana, efa miparitaka anaty tambajotram-tserasera isan-karazany. “Ilay fisarahantsika”, hiran’i Kiki sy I Nirina no nindramin’i Mbola Talenta, i Fara Gloum ary Orad Manalina ka nataon’izy ireo araka ny rindrany.
Ny hiran’ny taona 80 sy 90 ihany ireo, saingy misy ny efa tsy henoheno firy intsony’”, hoy ny nambaran’i Mbola Talenta raha nanontaniana mikasika ny hira alahatra. Tsipalotra tao anatin’ny lisitra ny “Mila tsiky” an’ny tarika Evah, “Vavaka” an’ny Raberanto, “Solafaka” an’i Benja Andriatahina, “Mahereza” an-dRambao, “Bitsibitsiho”, sns.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.