Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faribolana Sandratra : hiavaka ny fanamarihana ny Andron’ny mpifankatia

Faribolana Sandratra  : hiavaka ny fanamarihana ny Andron’ny mpifankatia

Kolontsaina avy any amin-dry zareo tandrefana ny Andron’ny mpifankatia, ankalazaina isaky ny 14 febroary, saingy efa manomboka mahazo vahana eto amintsika. Mihamaro ireo hetsika enti-manamarika izany fa azo lazaina ho hiavaka ny an’ny Faribolana Sandratra.

Hahazo vahana ny tononkalo maneho izay fitiavana eo amin’ny olon-droa izay ao anatin’ny hetsika “Seho kely, café poezia”, efa fanaon’ny fikambanana, nanomboka tamin’ny taon-dasa. “Kindriandriana” ny lohatenin’ny antsa tononkalo, iarahana amin’i Nirihaja sy i Anna Tsoa. “Kindriandriana”, karazana kilalao fanaon’ny ankizivavy fahizay. Toy ny mahazatra, hotanterahina ao amin’ny efitrano Faribolana Sandratra, etsy amin’ny Tahala Rarihasina, ity hetsika ity, ny zoma 10 febroary tolakandro izao.

Ankoatra izay, mitohy ny antsa tononkalo, fanaon’ny mpiray faribolana etsy amin’ny Cercle germano-malagasy, isaky ny asabotsy fahefatra. Hamelona izany, amin’io volana febroary io, i Hanitra Olive sy i Heriniaina. Mitondra ny lohateny hoe “Fy tia” ny hetsika, amin’io 25 febroary tolakandro io. Araka izany, tsy miala amin’ny resa-pitiavana, noho ny Andron’ny mpifankatia, ny lohahevitra.

Na izany aza, tsy mifantoka amin’izay loatra ny ho voalaza ao. “Ilay Fy resahina eto dia ilay kanto sy hatsaran-tarehy ao amin’ny literatiora … Manova­na azy ny fitiavana, izay entina mankafy ny talenta ananana”, hoy ny fanazavan’i Riambola Mitia, filohan’ny Faribolana Sandratra eto Antananarivo.

Landy R.

 (Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.