Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depiote R.Rodin : « Aoka ho mailo isika vahoaka »

Depiote R.Rodin : « Aoka ho mailo isika vahoaka »

Nanao tatitra tamin’ny vahoaka ao amin’ny kaominina Ambohimandry any Arivonimamo, ny depiote Rakotomanjato Rodin ny asabotsy 28 janoary lasa teo. Nivoitra tamin’izany ny antso avo nataony. “Efa hivoaka ny vola fanampiana ho an’ny kaominina (CLD), hanatanterahana ireo asa ilain’ny vahoaka sy mifanraka amin’ny asa fampandrosoana ka tokony ho mailo isika amin’ny fomba fitantanaa izany ary hanolotra ny fotodrafitrasa tokony hotanterahina”, hoy izy.  Nambarany fa tsy tokony ho tompon-trano mihono ny eny ifotony amin’ny raharaha mandeha eny anivon’ny fitondram-panjakana. Tokony hahafantatra izany ny rehetra, hahafahana manara-maso ny fanatanterahan’ny mpitantana ireo tamberin’andraikitra mankany amin’ny vahoaka hahazoana  asa fampandrosoana tsara kalitao sy  manaraka ny fenitra ary araka ny vanim-potoana. Nohitsiny koa fa tsy azo ekena ny fakan’ny delege sasany volabe amin’ny famindrana lova satria tsy tokony hakana sarany mihoam-pampana izany.

Ankoatra ireo, narahina asa izany rehetra izany ka nanolorany tafo miisa 13 ho an’ny EPP Anjanamhahazo, sy dabilio miisa 10 ho an’ny EPP Ambohitrakanga.  Teo koa ny fanolorana fitaovana ho fanarenana ny paositry ny zandary eo Ambohimandry.

Etsy andaniny, anisan’ny hetahetan’ireo tantsaha, saingy tsy nahazoam-baliny avy amin’ny fitondrana, ny hanamboarana toha-drano sy lakandrano, ao Ambohimandry ihany.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.