Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antanimbarinandriana sy Antaninarenina : samy tsy manaiky ny CUA sy ny minisitera

Antanimbarinandriana sy Antaninarenina  : samy tsy manaiky ny CUA sy ny minisitera

Nitondra fanazavana omaly ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mikasika ny fanorenana tsy ara-dalàna eo Antanimbarinandriana sy etsy Antaninarenina ambanin’ny fihantsonan’ny fiarakodia izay toerana kisilasila tsy tokony ho azo hanorenana akory raha ny fahitan’ny teknisianina avy amin’ny CUA.

Nisongadina tamin’izany fa tsy manana fahazoan-dalana manorina avy amin’ny CUA akory ireo fotodrafitrasa roa izao. Ho an’ny etsy Antaninarenina, voalaza fa nahazo ny taratasy avy amin’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena… (M2Pate) tamin’ny 9 janoary 2016 ity fananganana ity. Nahazo “titre” avy amin’ny M2Pate ihany koa. Iray andro dia voalaza fa nahavita ny antanatohatra rehetra amin’ny fanamboarana ireto antontan-taratasy hahazoana “titre”, “borne” ary “certificate de situation juridique”. Ny etsy Antanimbarinandriana indray, nahazo taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny M2Pate ihany koa ny fananganana satria voalaza fa tetikasan’ny filoham-pirenena hanaovana tranomboky. Miorina eo ambony lakandrano ny fanorenana. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana amin’ny CUA ihany koa.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.