Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankadifotsy : notokanana ny kianja Maitsoririnina

Ankadifotsy  : notokanana ny kianja Maitsoririnina

Tontosa ny asabotsy teo ny fitokanana ny toeram-pialamboly Maitsoririnina etsy Ankadifotsy Ankaditapaka. Nahavitana ity fotodrafitrasa ity ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Région Ile-de France ary ny orinasa tsy miankina.

Toerana malalaka ahafahan’ny ankizy sy ny tanora mialavoly ny kianja Maitsoririnina etsy Anakadifotsy. Tsy ampy toeram-pialamboly rahateo ny eto an-dRenivohitra rehefa nofoanan’ny kaominina ny tetsy Ambohijatovo ka rariny ny fisokafan’ireny toerana hahafahan’ny ankizy milalao ireny.

Misy ihany ny toeram-pialamboly ho an’ny rehetra etsy Marais Masay saingy efa tsizarizary ireo fitaovana.

Sehatra mampivelatra ny ankizy ara-tsaina sy ara-batana ny fialamboly ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Ambohipihaonan’ny tanora sy ny ankizy ihany koa izy ireny.

Navoitran’ireo tompon’andraikitra ny tokony hikojakojana hatrany ny toerana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.