
Tsy misy sahy milaza fa mandeha ny raharaham-pirenena: fanatsarana ny fiainam-bahoaka, fampandrosoana. Na ny mpitondra sy ny mpomba azy aza, mangingina ratsy tamin’ny tsingerin-taona fahatelon’ny fitondrana.
Izay minia mikimpy ihany no mahita an’eritreritra fa mandroso sy tsara ny toe-draharaham-pirenena. Jamban’ny tombontsoa manokana sy ny kolikoly, na tsy mahita afa-tsy ny toerana sy izay manodidina kely azy… ?
Mihamitombo ny fitsaram-bahoaka, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fanjarian-tsakafo, ny delestazy… Ho avy koa ny fiakaran’ny saran-dalana, ny mety hisondrotan’ny vidin-tsolika…
Ato ho ato na eo izany, eo ny fidangan’ny vidim-bary sy ny vokatra ankapobeny noho ny vokatr’izao haintany izao. Hiara-dalana amin’izany ho azy ny karazan-kalatra, ny fitsaram-bahoaka… Mihalalina tsinona ny fahantrana.
Saika ratsy avokoa izany rehetra izany. Ny hamisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Mila visavisaina inona ahoana ny ratsy tsy ahombiazana? Izao iainan’ny rehetra isan’andro izao: maso miara-mahita, sofi-miara-mandre.
Ndeha hovisavisaina ny tsara, hialan’ny ratsy: izay tsy mahomby, mamitaka, manao ampitso lava… Hitondra inona amin’ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka, ohatra, ny fahatongavan’ny vahiny an-kisesy tato ho ato?
Manana izay entiny sy kendreny ny fitsidihana hoe manan-tantara itsy na iroa. Mba manana anjara amin’izany ny Malagasy? Indrindra ny vahoaka ifotony… Sao variana amin’ny vahiny ka tsy mahadini-tena na tsy hita ny vahoaka?
Be dia be ny tamberin’andraikitra andrasana sy takin’ny vahoaka amin’ny mpitondra. Sao sanatria ny vahiny indray no tena tompon-draharaha na anton-draharahan’ny mpitondra, fa tompon-trano mihono lava ny vahoaka.
Mba misy ny soa azo visavisaina hialan’ny ratsy? Na mba tsaroana amin’izany ny vahoaka… Izay ela izay, hadino na tavela ny raharaham-bahoaka noho ny an’ny vahiny. Tsy ahasahian’iza milaza fa mandeha ny raharaha…
Lasa vahiny ny raharaham-bahoaka? Na lasa firaharahana vahiny no ataon’ny mpitondra…
Rafaly Nd.
Les commentaires sont fermées.