Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rabetsaroana Sylvain : « Anjakan’ny kolikoly sy ny tsimatinamota eto »

Rabetsaroana Sylvain : « Anjakan’ny kolikoly sy ny tsimatinamota eto »

Nivoaka tamin’ny fanginany. Nitondra ny heviny manoloana ny raraharaham-pirenena ny mpanao politika sady mpandraharaha, Rabetsaroana Sylvain. « Manjaka ny kolikoly sy ny tsimatimanota eto amin’ny firenena ka tsy mahagaga raha mahazo vahana ireo mpandroba… Tsy tonga eto mba hanasoa antsika ireo vahiny ireo fa hitady ny tombontsoany manokana amin’ny fandrobana ny harem-pirenena », hoy izy tetsy Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Nohitsiny fa ho zava-doza sy efa loza mihatra izany amin’izao fotoana izao. Anisan’izany ny fandringanana sy fitrandrahana ny harem-pirenena. Ohatra, ny  karazan-tany tsy fahita firy, ny volamena, ny morontsiraka efa lasan’ireo vahiny. « Iza avokoa ny tompon’andraikitra amin’izany ? Aoka izay ary atsaharo ny fanaovana varo-boba ny harem-pirenena. Aleo hapetraka mazava ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ireo vahiny », hoy ihany izy.  Nanteriny fa tsy hita taratra ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana sy ny mangarahara. Tsy manana vina izao fitondrana izao, araka ny nambarany. « Ambarao mazava ho fantatry ny vahoaka ny momba ireo tetikasa lehibe… Mba jereo ny tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka… », hoy ity mpanao politika, eo anivon’ny Mitsangana ry Malagasy (MRM) ity.

Tsy hatoky antsika ny mpamatsy vola

Nohitsiny fa mihamaro ireo tafiditra amin’ny raharaha kolikoly, ankoatra ireo efa nanao izany tato anatin’ny 40 taona. Nohitsiny fa anisan’izany ny eo anivon’ny Jirama. « Orinasa stratejika an’ny fanjakana ahina ho lasan’ny vahiny io. Tsy mbola voavaha ny delestazy aty amin’ny taona 2017… Jereo anefa ny filoha Amerikanina, Trump fa sahy maka fanapahan-kevitra ho an’ny tombontsoan’ny fireneny… Ny antsika tsy mba manana finiavana sy hitsim-po ny mpitondra eto », hoy Rabetsaroana Sylvain. Ankoatra izany, nohitrikitrihiny fa mijanona ho resaka fotsiny ihany ilay vola 10 miliara Ar nampanantenain’ny mpamatsy vola tany Paris (CBI). « Tsy misy olona hatoky ny firenena anjakan’ny kolikoly sy ny tsimatimanota izany… Efa naheno minisitra na tompon’andraikira ambony lehibe nigadra isika teto ? », hoy izy. Na izany aza, nohitsiny fa tokony ho mailo amin’ireo mpamatsy vola sy mampiasa vola ireo isika. Tsy mahalala ny tadiavintsika sy ny ilaintsika isika ka lasa mikoropaka mitady lalana any an-kafa, araka ny fanamafisany. Manoloana izany rehetra izany, vahaolana natolony ny tokony hiovan’ny toe-tsaina.

Synèse R.   

(Sary Fano)

 

Les commentaires sont fermées.