Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaram-bahoaka tany Besalampy : nopotehin’ny olona ny biraon’ny polisy

Fitsaram-bahoaka tany Besalampy  : nopotehin’ny olona ny biraon’ny polisy

Olona roa indray  no maty vokatry ny fitsaram-bahoaka, tany Besalampy. Omaly no namoy ny ainy ilay faharoa. Nanaovan’ny fokonolona amboletra ka potika sy rava ny kaomisarian’ny polisy tany an-toerana. Mirongatra ka tsy voafehy intsony ity resaka fitsaram-bahoaka ity.

Nanaovan’ny fokonolona ambolena, afakomaly tamin’ny 8 ora alina, ny biraon’ny polisy, hitakiana fitsram-bahoaka tamin’ireo ireo olona, voalaza fa nandratra sy namono olona tany Besalampy. Olona roa maty tamin’izany, ka ny iray maty novonoin’ny olona afakomaly, ary ny faharoa maty tany amin’ny hopitaly omaly. Araka ny vaovao avy any an-toerana, lehilahy iray antsoina hoe Avimanana voasambotry ny polisy, voarohirohy tamin’ny fandratrana sy famonoana olona   tamin’ny 19 janoary lasa teo, tany Ampoko distrikan’i  Besalampy. Voasambotry ny polisy izy ary notazomina tao amin’ny  polisy  Besalampy. Voalaza fa olona manodidina ny 2.000 eo ireo nikomy ireo, fantatra fa niaraka tamin’ny mpikambana ao amin’ny Dinabe. Tafiditra   tao  amin’ny biraon’ny polisy ireto andian’olona ireto ka nalainy  ireo olona  telo voatazona tao ary samy nokapohin’izy ireo avokoa. Ny sasany nandefona, ny sasany nidaroka.

Maty noho ny vono izay nahazo azy i Avimana, ilay voarohirohy ho nanao fandratrana sy vono olona tany Ampoko, fa ireo olona roa hafa naratra mafy. Potika ihany koa ny biraon’ny polisy tany an-toerana. Tsy nisy maty na naratra ny mpitandro ny filaminana , ary torak’izany koa ireo andian’olona ankilany. Raha ny vaovao farany omaly, maty tany amin’ny hopitaly ny iray tamin’ireo niharan’ny fitsaram-bahoaka. Ity farany izany tsy nisy ifandraisany tamin’ilay Avimanana io, saingy voarohirohy tamin’ny famonoana olona ihany koa.

Nohamafisina  ny fiarovana ny tobin’ny zandarimaria any an-toerana. Zandary efatra ihany koa napetraka niaro ny tranoben’ny distrika, ary zandary telo no manampy  ny polisy ho fanampiana ny  fiarovana ny biraon’izy ireo izay sisa tsy potika.

Fitsaram-bahoaka tany Manakara

Ankoatra ity tany Besalampy ity, nisehoana fitsaram-bahoaka ihany koa tany Berano Manakara, afakomaly tamin’ny 4 ora maraina. Tratra nangalatra lavanila 1 kilao ny roa lahy ka nosamborin’ny  fokonolona. Saika hanatitra azy ireo tany amin’ny mpitandro ny filaminana ny fokonolona kanjo fantatry ny olona izy roa lahy ireto fa mbola olona voafonja ao amin’ny “maison centrale” Manakara, nefa afaka nivoaka nangalatra ka avy dia niharan’ny hatezeran’izy ireo ka nodarohiny ary namoy ny ainy. Nidina any an-toerana ny zandary avy ao amin’ny paositra Ampasimanjeva izay misahana ny fanadihadiana.

Efa manao rano lava ity fitsaram-bahaoka ity, ary tsy voafehy intsony. Mampiseho endrika fipoahana ara-tsosialy mihitsy. Ny fitsarana tsy manaiky fitsaram-bahoaka, ny dinabe mitaky izany. Ny olana, raha tratran’ny tondromolotra ny olona iray mety ho matimaty foana. Raharaha mila vahan’ny fitondrana malaky, sao izy no iharan’ny fitsaram-bahoaka mialoha ny fotoana.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.