Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filohan’ny HCC : “Maika ny fametrahana ny lehiben’ny mpanohitra”

Filohan’ny HCC : “Maika ny fametrahana ny lehiben’ny mpanohitra”

“Maika ny fametrahana ny lehiben’ny mpanohitra, fa sarotra ny hifanome fe-potoana. Apetraka amin’ny fahendren-dry zareo fahefana mpanatanteraka izany. Maika ilay izy apetraho haingana.”

Io ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ambohidahy, omaly, momba ny toeran’ny mpanohitra eny anivon’ny Antenimierampirenena.

Tsy mazava ny tena antsipiriany tena fanaovana azy. Voalaza, ohatra, hoe fidina ny lehiben’ny mpanohitra: tsangan-tanana sa latsa-bato miafina, iza no mahazo mandray anjara amin’ny fifidianana?  Na ho an’ny mpanohitra aza, tsara raha mazava tsara izany.

Marim-pototra ny mpanohitra amin’izay: tsy hisy fanakianana, tsy hisy hanozongozonina ny lehiben’ny mpanohitra. Vao mainka hanahirana raha hapetraka izany, nefa hohozongozonin’ny sasany.

Diso ny hoe sakanana ny mpanohitra

 

“Diso ny hoe sakanana ny mpanohitra. Misy zavatra tsy ampy ao, izay andraikitry ny governemanta”, hoy izy. Alaina fotsiny izay didim-panjakana izay; avy eo, hapetraka ny lehiben’ny mpanohitra. Mba tsy hijanona amin’ny firaikiraikena na “ady gasy”: aleo handeha amin’ny zavatra tsara isika. Amin’izay, mafy orina ny lehiben’ny mpanohitra.

Misy tsy manaiky izay lehiben’ny mpanohitra. Izay no hametrahana azy tsara ao anatin’ny didim-panjakana: ahoana marina ny tena fametrahana izany lehiben’ny mpanohitra izany? Mba tsy hisy fanakianana rehefa avy eo.

Hanasazy izay tsy mety manao fanambaram-pananana ny HCC

Efa nisy ihany ny nametraka fanambaram-pananana amin’ireo tokony hanao izany, araka ny fanazavany. Mbola misy ihany ireo mailandaina, mbola hampirisihana… Hisy fihaonany sy ny tale jeneralin’ny Bianco: ho hita eo izay fepetra horaisina, raha mbola misy tena madity tsy mety hanao fanambaram-pananana.

Mila mihatra ny lalàna amin’ny ady amin’ny kolikoly momba ny fanaovana fanambaram-pananana, ahafahan’ny HCC mihetsika. “Mety miditra amin’ny fanasaziana. Raha izaho manokana aloha, mety hiditra amin’ny fanasaziana aho”, hoy izy.

Resabe ny amin’ny depiote Tim hoe nesorin’ny antoko, fa tsy mbola naharay fitoriana momba izany ny HCC, araka ny nambarany. Nisy ny fanoloran’ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonina (OIF) fitaovana ho an’ny HCC amin’ny fanamafisana traikefa momba ny lalàmpanorenana.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.