Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miaritra ny tsy zaka, mizaka ny tsy aritra…

Miaritra ny tsy zaka, mizaka ny tsy aritra…

Anisan’ny fanambin’izao fitondrana izao ny fanjakana tan-dalàna, fitondrana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly… Miara-dalana amin’ireo ny hoe fangaraharana. Ny tsy fanaovana sy tsy fahatanterahan’iretsy voalohany no tsy mampisy ny fangaraharana? Tsy misy koa izay fanazavana, serasera…

Saika izany avokoa ny natao hatramin’izay? Tsy tan-dalàna na tsy manaja lalàna, ka ratsy tantana. Na misy ny kolikoly, ka takona ho azy amin’izany ny fangaraharana. Jereo amin’ireo raharaha tsy mazava tato ho ato, na niniana natao amboletra, odian-tsy hita sy re raha misy miteny sy mitaraina.

Teo, ohatra, ny fomba fanendrena Praiminisitra, ny fahazoana maro anisa eny amin’ny Antenimiera, ny “Raharaha Anjozorobe“, ny fakana an-keriny tany Toamasina, ny baomba nipoaka teny Mahamasina ny 26 jona 2016, ny nenti-nanana ny Frankofonia, ny “Raharaha Soamahamanina“…

Tsy mahagaga raha mitohy ny tsy fanjariana, tsy fahombiazana, fahoany fahoany… Vokatry ny kiantranoantrano, ny fisian’ny tsimatimanota… Na izay heverina ho tsy inona aza, voatsara ambony ihany noho izany avokoa. Noho ny tsy fifampitokisana, ny fampandriana adrisa miverimberina…

Na ny havandra tamina faritra sasany talohaloha teo, na ny fihantonan’ny orana aty afovoan-tany, na ny horohoron-tany, na ny tondra-drano any atsimo… Misy mihevitra noho ny afitsoky ny mpitondra, hita maso na tsia. Zary tsy mampiraika ny maro izay atao sy miseho, na izay lazaina?

Efa zary tsy mampiraika intsony ny tsy fandriampahalemana, ny delestazy, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny fitsaram-bahoaka…. Raha miaritra ny tsy zaka, mba mizaka na miteny ny tsy aritra: misy mihaino? Izany ny Malagasy izao, mila tsy hahavaka intsony ny tsara sy ny ratsy, ny azo zakaina na tsia…

Misy fetra ny zava-drehetra? Na tsy hita izay (h)atao… Mba hahazoana miteny “eny“, tokony ho afa-miteny “tsia“, raha ny nambaran’ny filoha Frantsay teo aloha, François Mitterrand, izay. Mbola vitan’ny fimenomenonana sy fizakana izay mitranga ve ny raharaha? Na ny fandavana fotsiny…

Rafaly Nd

 

Les commentaires sont fermées.