Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manameloka ny fitsaram-bahoaka ny FFKM

Manameloka ny fitsaram-bahoaka ny FFKM

Nivoaka amin’ny fanginany. « Manameloka ny fitsaram-bahoaka ny fiangonana. An’Andriamanitra ny aina ka tsy misy tompon’izany afa-tsy Izy ihany. Tsy maintsy tadiavina ny fomba, hampitsaharana izany satria raharaha eny anivon’ny fiarahamonina izany. Tsy an’ny fiangonana irery ka tokony hijerena vahaolana », hoy ny filohan’ny FFKM,  ny Mgr Razanakolona Odon, omaly tetsy amin’ny fiangonana anglikanina Andohalo. Nohelohin’izy ireo koa ny halatra lakolosy niseho lany. Efa nanaovanay hafatra io satria fanimbazimbana ny fiangonana sy Andriamanitra », hoy izy.

Momba ny ho tohin’ny fampihavanana, nambarany fa tsy mbola mifarana izany. « Nangataka ny komity foibe ny amin’ny hanohizana izany ka hiverenana indray. Mbola handamina fotoana izahay. Faniriana ny hanaovana ny fampihavanana sady iraka ampanaovin’ny komity foibe izany », hoy ihany izy.

Ankoatra izany, hapetraka ny vatofehizoron’ny biraon’ny FFKM vaovao etsy Ankorondrano ny alarobia izao ary hisy fotoam-pivavahana amin’izany.

Tsiahivina fa tafiditra amin’ny herinandro fiaraha-mivavaka ny natao, omaly. Efa vita tany Toamasina kosa ny famindram-pitantanana nandraisan’ny Ekar ny filoha ho amin’ity taona ity.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.