Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery taratra… herinandro : maina ny tany, maina ny teny…

Haintany, tsy fahampian-drano, fihantonan’ny orana… Niteraka resabe sy sahotaka eran’  Antananarivo ny fanazavan’ny Jirama ny amin’ny hoe ho ritra ny ranon’i Mandroseza ao anatin’ny hefarana, raha tsy mirotsaka ny orana.

Nisy nanangon-drano ny mponina. Nanazava ny minisiteran’ny Rano fa tsy misy ahina ny famatsian-drano, tapa-bolana na iray volana. Novahana ny rano amin’ny barazin’i Tsiazompaniry hamatsiana an’i Mandroseza.

Amin’izany, tsy andrenesam-peo firy ny fanjakana foibe, ary mangingina ratsy ny tontolo politika. Nesorina amin’ny toerany tamin’ny filankevitry ny minisitra ny tale jeneralin’ny Jirama, ary nosoloina ny filankevi-pitantanana.

Tsy mbola mahazo orana ny afovoan-tany, raha tondra-drano ny any atsimo: 12 000 mahery ny traboina. Nandrasana ny fahafenoan’ny fepetra hahazoana mandatsaka orana ho an’ny faritra Alaotra Mangoro sy Analamanga, ohatra.

Mandeha ihany ny delestazy, mihalava sy matetika. Tsy ny tany ihany no maina, fa maimaina tsy andrenesan-teny intsony amin’izay amahana izany ny mpitondra. Mby aiza ny fampanantenana hoe ho tapitra eo ny delestazy?

Fandoroana trano noho ny fanararaotra fandrobana no nitranga tany Vangaindrano tamin’ny  noho ny hetsiky ny mponina mpiray Dina. Takin’izy ireo ny fitsaram-bahoaka amin’ny lehilahy voalaza fa namono ny tovovavy 19 taona.

Nanolotra ireo antontan-kevitra fanatsarana ny fifidianana tamin’ny filohan’ny Repoblika ny Ceni. Maro ireo torolalana tamin’ny fakan-kevitra hanatsarana ny lalàna mifehy fifidianana, ka mila kitihina amin’izany ny lalàmpanorenana.

Nilaza ny mpahay lalàna sady filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, fa ny mpanohitra nisoratra anarana eny amin’ny minisiteran’ny Atitany no mifidy ny lehibeny eny amin’ny Antenimierampirenena.

Nidangana izaitratra ny vidin’ireo entana ilaina andavanandro: vary, anana… Maina ny tany. Maina mbamin’ny teny, fa mahazo vahana hatrany ny tsy fisian’ny fifandraisana azo antoka eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.