Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball tompondaka eran-tany : mihatsara ny zava-bitan’i Frantsa

Handball tompondaka eran-tany : mihatsara ny zava-bitan’i Frantsa

Nahavita ezaka tsara ny ekipa frantsay nandritra ny fihodinana voalohany, tao amin’ny vondrona A nisy azy. 154 ny baolina tafiditra, tsara ny vita tamin’izany dingana voalohany izany raha ampitahana ny tany Qatar, 143 ny baolina maty.  Ny fihaonana tamin’i Pologne ihany no tsy nihoatra ny 30 ny baolina matin’i Frantsa (26-25). Anisan’ny nahiratra indrindra koa i Espagne tamin’iny dingana voalohany iny tao amin’ny vondrona B nisy azy. Nandresy hatrany izy tamin’ireo lalao nataony. Montsany tamin’ny isa 36 -26 i Slovénie. Hiatrika an’i Brésil i Espagne amin’ny 1/8-n-dalana.

R.Mathieu

Ireo lalao 1/8-n-dalana anio 21 janoary :

Norvege –Macédoine

Russie –Slovénie

France – Islande

Brésil – Espagne

 

Les commentaires sont fermées.