Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CSAEM : « Miandry ny vahoaka… »

« Efa hita taratra ny finiavann’ny mpitondra hanova saingy andrasana ny fanatanterahana izany ary miandry ny vahoaka, indrindra ny mpiasam-panjakana », hoy ny Fivondronamben’ny sendiko sy ny mpiasam-panjakana (CSAEM), omaly tetsy 67 ha. Anisan’ny nitarika izany ny filoha nasionaly, Rakotondrainibe Simon Richard ary nampahatsiahy fa maro ireo fahalovana. « Mitohy ny fampidirana ny resaka politika eny anivon’ny asa-panjakana. Fanitsakitsahana lalàna, fahitana ireo harem-pirenena anaovana fitantanana gaboraraka ary fahatsapana ny fitavozavozana midika ho tsy finiavana hanova… », hoy izy ireo. Na izany aza, nisaoran’izy ireo ny fampiakarana 7% ny karama na tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana aza. Teo koa ny nanolorana ny filoham-pirenena ny politika nasionalin’ny asam-panjakana… Nametra-panontaniana koa anefa izy ireo. « Hanova inona ny fitondrana manoloana ireo olana niteraka  ny fahalovana eto ireo ? », hoy ny CSAEM.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.