Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara II : mitohy ny oram-be, ahina hitombo ireo traboina

Ahina mbola hitombo ny isan’ny traboina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Maromiandra, distrika Toliara II, satria mitohy ny fiavian’ny rotsak’orana, indrindra ny tapak’andro hariva, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna any an-toerana, Koto dit Banasoa, omaly. Amin’ny fokontany 11 mandrafitra ny kaominia iadidiany, telo no tena simba, indrindra ny ao amin’ny fokontany Marofatika. Ao amin’ny fokontany Antsary sy Ankoro, betsaka ny trano sy ny fambolena ravan’ny ranobe. Ho an’ny fokontany Marofatika, efa nafindra mialoha ao amin’ny vohitr’Ambohimahasoa ny mponina ka tsy nisy ny aina nafoy teo amin’ny olona sy ny bibiy fiompy. Potika 100% ny trano fonenana sy ny fambolena ho an’ny tanànan’Ambatomainty. « Raha tombanana any amin’ny 12 000 ny traboina amin’izao fotoana izao nanomboka ny 11 janoary noho mankaty, ahina hiakatra hatramin’ny 14 000 izany raha mbola tsy mitsahatra ny rotsak’orana », hoy ihany ny nambarany. 18 000 ny isan’ny mponina misandrahaka amin’ny fokontany 11 ka efa tandidomin-doza ny 14 000 ankehitriny. Simba ny voly rehetra : katsaka, vovondandihazo, vary, mangahazo, anana samihafa, fary, vokatry ny rano. Ny vahoaka koa, tsy manana hanin-kohanina. Nilaza ny fanjakana fa hidina any, anio, hitondra sakafo sy ny kojakoja ilaina. Nisy solontenam-panjakana avy eny amin’ny Antenimerampirenena efa nitondra fanampiana, saingy tsy naharaka ny filana.

Nivoaka ny lalany ny vavaranon’i Fiherenana ka namotika ny tanimboly sy ny tanimbary ary ny tanàna rehetra amin’ny faritra iva.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.