Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manjakaray : voasambotry ny polisin’ny BC ilay lehilahy namono ny rahalahiny

Manjakaray  : voasambotry ny polisin’ny BC ilay lehilahy namono ny rahalahiny

Nidoboka am-ponja, omaly, i Dani, 22 taona, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny rahalahy am-panambadiana aminy teny Manjakaray. Novelesiny tamin’ny “bois rond” teo amin’ny lohany ilay niharam-boina ka maty tsy tra-drano…

 

Randriamanana Daniel na i Dani ny anaran’ity lehilahy nahavita fihetsika feno habibiana tamin’ny fianakaviany ity teny Manjakaray tamin’ny heriny androany. Araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika voalohany (BC1), nahazo antso avy amin’ny BMH ny polisin’ny BC1, ny alakamisy 12 janoary 2016 hariva nilaza fa misy lehilahy maty eny Manjakaray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao fizahana ny razana ka hita tamin’izany fa maty nisy namono ity raim-pianakaviana hita faty ity satria nahitana ra nivoaka tsy nijanona ny sofiny havia. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy taorian’izay ka fantatra tamin’izany fa i Dani, rahalahy am-panambadiana amin’ilay namoy ny ainy ihany no tompon’antoka tamin’ity vonoan’olona ity. Niaiky ny heloka vitany ilay lehilahy nahavanon-doza nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nolazainy fa nokapohiny tamin’ny “bois rond” teo amin’ny lohany ilay niharam-boina ka maty tsy tra-drano. Nifamaly mafy i Mika (ilay rahalahiny am-panambadiana io) sy ny rafozan’izy roa lahy tamin’io fotoana io. Tonga tampoka anefa i Dani ka tsy nahazaka ny fifamaliana teo amin’izy mianaka ka nandray “bois rond” ka nikapoka ny lohan’i Mika. Tsy avotra intsony ny ainy vokatry ny kapoka nahazo azy. Betsaka ny olona mahavita mamono amin’ny fomba feno habibiana ny havany akaiky toy izao.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.