Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Amical des Commissaires de police : atrikasa ho fiahiana ireo zaza kambotin’ny polisim-pirenena

 Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana voalohany nokarakarain’ny Amical des Commissaires de police (ACP) handinihana manokana ny fiainan’ny fikambanana sy hanatsarana izany. “Noho ny rafitra mipetraka sy ny sata mifehy ny fikambanana no tsy maintsy hanaovana fivoriana mba hitadiavana hevitra sy fomba maro samihafa hahafahana mijery sy manampy ireo zaza kambotin’ny polisim-pirenena tezaina ao amin’ny ivontoerana ao Ambatolampy”, hoy ny filohan’ny ACP, ny Commissaire principal de police, Tsaramonina Ravony. Nivoitra tamin’izany koa ny fanatsarana ny fiainan’ny polisy amin’ny ankapobeny satria anisan’ny mpitantana sy misahana andraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena ireo commissaire de police mandrafitra ny fikambanana ireo. Taorian’ny fivoriana, entin’ny mpitondra tenin’ny fikambanana eo anatrehan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny zavatra tinapaka rehetra mba hanatsarana hatrany ny asa. Tonga nanome voninahitra ny izao fivoriana miendrika atrikasa izao ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur général de police, Anandra Norbert. Notoloran’ny ACP “bouquet Canal Sat” ireo  ankizy kamboty ao Ambatolampy taorian’izay.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.