Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rano manody

Rano manody

Nivadika tanteraka ny rasa. Raha tondradrano no mahazatra ny mponina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina rehefa tonga ny fahavaratra, ny haintany no toa mahazo laka amin’izao fotoana izao. Tsy ampy ny rotsak’orana hatramin’ny taona vaovao izay. Ritra ny tohodrano manondraka ny tanimbary sy manome herinaratra. Ny fanazavana efa zary lasa tsianjery hoe vokatry ny fiovan’ny toetr’andro izao zava-misy izao. Mety ho marina izany, saingy raha izy tokoa izay, mizaka ny ataon’ny sasany isika. I Etazonia sy i Sina mantsy no voalaza fa anisan’ireo firenena mandoto ny tontolo iainana amin’ireo orinasa maro mamoaka entona simika, toy izay koa ny fiarakodia marobe any amin-drizareo. Miteraka olana maro ho an’ireo firenena an-dalampan-drosoana ny fandrosoana ara-toekarena ao anatin’ny fanatontoloana. Tsy ny fifanarahana tany Kyoto na Paris velively akory no hampiova zavatra goavana. Soniavina izy ireny kanefa iza ny hanasazy izay tsy manaraka ny fifanarahanana? Fa tomponandraikitra amin’ny voina voajanahary mitatao ankehitriny isika Malagasy. Impiry misy fantsona vaky eny rehetra eny fa samy mandalo tsy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ny isam-batan’olona. Na hiantso ny tomponandraikitry ny Jirama eo akaiky eo aza, tsy atao akory. Efa ho herinandro na amam-bolana aty aoriana vao tonga ny mpanamboatra. Rano firy metatra toratelo ny very eo, nefa misy faritra misotro ranom-potaka ny mpiray tanindrazana.

Izao vao mahatsapa fa sarobidy izy ity. Tsy ho an’ny olombelona ihany fa ho an’ny zavamaniry sy biby fiompy koa. Iza no mbola mahatsiaro ny sary mahavaky fo tany Etiopia ny taona 1985 nahatonga izao tontolo izao hanao hetsika ho famonjena olona anahetsiny tratry ny hanoanana noho ny haintany an-taony maro. Mbola tsy tonga amin’izay ny eto Madagasikara kanefa maro ny manombana fa ho ratsy ny vokatra, indrindra ny vary, amin’ity taona ity. Hidangana ny vidiny rehefa tsy mahavaly ny tinady ny tolotra. Etsy andaniny, raha vao avy ny orana, tsy hita izay hodiavina eto Antananarivo. Mila fehezina ny rano mba ho fanoitra ny fampandrosoana fa tsy ho zary lasa akora handrava efa sy hamono ny zavamananaina toy ny rano m(an)ody.

Vonjy Andrianjaka

Les commentaires sont fermées.