Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volan-kankafotra, taon-tsarotra…

Volan-kankafotra, taon-tsarotra…

Mbola ao anatin’ny fifampiarabahana noho ny taona vaovao izao volana izao. Na izany aza, tsy misy fiovana firy ny volana. Mihasarotra aza izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny haintany, tsy fandriampahalemana, delestazy, fiakaran’ny vidim-piainana…

Na vita aza ny matoam-bolana na ny kabary fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao, tsy misy inona miova toy ny volan-kankafotra: fampanantenana, fanamarinan-tena, fanilihana andraikitra, fitsambikimbikinana mikimpy…

Amin’izany rehetra izany, tsy fantatra na tsy mazava na tsy lazaina marina izay tena hatao amin’ity taona ity. Manaraka ny fisehoan-javatra fotsiny eny? Kitsapatsapa, fisehoana ho manao zavatra, ampitso ampitso lava tsy misy farany…

Inona marina ny afitsoky ny mpitondra tao amin’ireo olana lehibe manahirana sy mampijaly vahoaka ireo? Na vahaolana famonjena rano vaky io, na izay azo antoka maharitra. Mba tsy hiverimberina lava ny olana, ny fampandriana adrisa.

Vitan’ny filazana fandatsahana orana ve, ohatra, ny delestazy? Mila vahaolana maharitra. Iandrasana vola ve izany?  Na tsy misy inona azo atao… Toy izany koa ny tsy fanjarian-tsakafo, tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana…

Natao hamaha olana ny mpitondra: tomponandraikitra voalohany, tsy afa-miala… Tsy vitam-pivoriana sy resaka io, na fifampiandrasana. Mila porofo fa mahavaha olana ny tena, azo ianteherana, tsy miandry ny hafa, mahatanteraka izay lazaina…

Raha tsy izany: lasa olana ny mpitondra tsy mahavaha olana. Safidy malalaka ny fandraisana andraikitra. Tsy nisy fanerena tamin’ny firotsahan-kofidina, izay notanisaina lava tamin’ny fampielezana tamin’ny fampanantenana an’itsy sy iroa.

Mby aiza? Na ny asa hoe vita, na ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka… Mihamazava izao fa tsy izay tena mahasoa ny vahoaka ifotony no imasoan’ny mpitondra hatramin’izay: fahamarinan-toerana politika, fankatoavana iraisam-pirenena…

Tapitra ny fanomezana famindrampo? Na anjaran’ny vahoaka ny mieritreritra sy manapa-kevitra… Volan-kankafotra izao, taon-tsarotra.

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.