Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andrianainarivelo Hajo : « Mampihomehy ny HCC »

Andrianainarivelo Hajo : « Mampihomehy ny HCC »

Tsy mandeha amin’ny laoniny ka tsy mahagaga raha misavoritaka ambony ambany ny fiainam-pirenena. Navoakan’ny HCC, omaly, fa misy tsy ampy na tsy feno ny lalàna momba ny mpanohitra na ny hitarika ny mpanohitra eny Tsimbazaza ka tsy nahafahan’izy ireo mandray fanapahan-kevitra hankato na tsia ilay fangatahan’ny Malagasy miara-miainga hiditra ho mpanohitra eo anivon’ny Antenimiera. Nitondra valin-kafatra avy hatrany ny filohan’io antoko io, Andrianainarivelo Hajo. « Mampihomehy ity fitondrana ity sy ny HCC. Lalàna efa lany sy nankatoavin’izy ireo io sata mifehy ny mpanohitra io nefa nivadika indray izao fa misy tsy ampy », hoy izy, omaly tetsy Andohalo. Nahitsiny ny teniny manoloana izany fa tsy misy lalàna mifehy ny mpanohitra izany eto ka afaka manao ny tiany hatao ny eo anivon’ny fanoherana. « Afaka midina an-dalambe maneho hevitra ary tsy tokony hosakantsakanana », hoy ihany izy. Efa natsidiny sahady fa handeha amin’ny dingana lavidavitra fa tsy hipetra-potsiny ny Malagasy miara-miainga manoloana izao tsy fahaiza-mitanan’ny mpitondra izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.