Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Isotry : voasambotry ny polisy i Dore

Isotry  : voasambotry ny polisy i Dore

Jiolahy iray antsoina hoe Dore, 26 taona izay raindahiny amin’ny fanendahana sy sinto-mahery eny amin’iny faritra Isotry sy Ampefiloha iny no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Poste de police Ampefiloha, teny akaikin’ny Assurance Mama, ny alarobia 4 janoary teo, tokony tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Voalaza fa efa ela no nikarohan’ny polisy azy ity ary efa maro ny fitarainana maikasika azy amin’ny asa ratsy ataony.

Roa lahy izy ireo ny teo an-toerana tamin’io fa tafaporitsaka ny iray. Tamin’ny fanadihadiana azy, niaiky izy fa mpanendaka ka amin’ny 6 ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora alina no tena fanaovany ny asa ratsiny. Nilaza ihany koa izy fa telo lahy izy ireo no manao izany fa izy aloha no tratra. Olona avy mivarotra na miantsena hariva no lasibatra ary endahiny, indrindra ny andro tsena. Mamono avy hatrany raha mamaly izay endahiny ry zareo. Tamin’ny fanadihadiana azy , fantatra fa efa intelo nigadra teny Antanimora i Dore noho io asa ratsiny io ihany. Atolotra ny fampanoavana anio ity jiolahy ity. Karohina kosa ny namany.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.