Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Association Gazela : sivy mianadahy nahavita fiofanana «pré-formation professionnelle»

Association Gazela : sivy mianadahy nahavita fiofanana «pré-formation professionnelle»

«Fanantenana». Io ny anaran’ny andiany fahatelo, nahitana ireo tanora sivy mianadahy, nahavita fiofanana pré-formation professionnelle tao amin’ny fikambanana Association Gazela pour le développement social (AGDS), izay manana ny foiben-toerany eny Ambanilalana Itaosy. Natao ny talata 3 janoary 2017 teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina Itaosy, ny lanonana nanamarihana ny fahavitan’ny fiofanana vitan’izy ireo, sady nizarana ihany koa ny takelaka fanamarinana mifandraika amin’izany. Fiofanana izay naharitra sivy volana, ahitana ireto taranja manaraka ireto : civisme et citoyenneté, développement personnel, comportement à risque, aperçu sur un métier, français, anglais, mathématiques, informatique. Hiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny fiofanana momba ny asa ireto tanora ireto taorian’ny nahavitany io fiofanana « pré-formation professionnelle » io. Fiofanana izay natao hamerenana sy hampiakarana ny fari-pahaizan’izy ireo, mialoha ny tena hidirany eo amin’ny sehatry ny fiofanana momba ny asa. Marihina mantsy fa tanora tojo fahasahiranana ara-tsosialy ka voatery nitsahatra tsy fidiny tamin’ny fianarana izy ireo.

Na ny filohan’ny AGDS, Andriambao Nivoarimalala,  na ny chef  de service de la direction de l’éducation  de masse et du civisme (minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena), Atoa Rakotonirina Justin, na ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Itaosy, Randrianarisoa Jean Richard, samy nanantitra ny tokony hananan’ireto mpiofana ireto fahendrena, fampiharana izay fahalalana norantovina, faherezana ary faharetana amin’izay hatao rehetra. Ny Centre de développement d’Andohatapenaka (CDA) indray no handray an-tanana azy ireo manomboka anio 6 janoray 2017. Efa eo am-panomanana ny fidiran’ny andiany manaraka amin’ity « pré-formation professionnelle » ity indray amin’izao fotoana izao ny AGDS.

M.R

Les commentaires sont fermées.