Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taona 2017 : mila hatomboka amin’ny mpitondra ny fanovana toe-tsaina

Taona 2017  : mila hatomboka amin’ny mpitondra ny fanovana toe-tsaina

Mamela akony ratsy eo amin’ny vahoaka ny kabary famaranan-taona nataon’ny filoha Rajaonarimampianina, ny alin’ny 31 desambra. Fanarian-dia sy famalifaliana amin’ny fiheverana ny vahoaka ho toy ny zaza, rehefa potehina amin’ny fampihorohoroana sy fanagadrana izay miaro ny tanindrazany, ohatra, manoloana ny fandrobana sy fanjakazakan’ny vahiny, indrindra ny Sinoa.

Mbola inoan-teny ve ny mpitondra fa marina sy tanterahiny izay lazainy? Na mbola misy Malagasy azony amin’izany… Anisan’ny nanaitra tamin’ny kabary, ohatra, ny hoe: Misy kolontsaina vaovao izay mila volentsika, kolokolointsika. Kolontsain’ny mpanangana, sahy sedra, miaraka misandratra anaty vina mampiombona.”

Ratsy noho ny teo aloha ny ankehitriny

Tsy mahay maka lesona. Anisan’ny lesoka amin’izao fitondrana izao io. Tsy misy izay fiovana sy fanovana, na ny toe-tsaina ihany aza. Kolontsaina vaovao mila volena, ohatra, ny fisaraham-pahefana. Mbola fitaovana politikan’ny mpanatanteraka ny mpanao lalàna, indrindra ny fitsarana: potehina izay manelingelina rehetra, tsy tohina ny tsimatimanota iraisana  tsikombakomba amin’ny kiantranoantrano…

Mandeha ho azy koa ny raharaha, ohatra, rehefa ny mpitondra no tsy manaja lalàna, fa manao izay saim-pantany amin’ny fiarovana sy fanamafisan-toerana: fomba fanendrena Praiminisitra, fividianana depiote hiova vondrona… Aiza, ohatra, izay kolontsain’ny mpanangana sy sahy sedra, rehefa tsy manana depiote na iray aza ny tena? Kolikolin-tsaina no kolokoloina amin’izany.

Santionany ireo. Maro ny azo tanisaina, na ny mbola fianteherana sy fitavandrana lava amin’ny vahiny aza amin’ny fanarenam-pirenena, fa tsy sahy manangana sy sahy sedra.  Miara-misandratra amin’ny mpitondra anaty vina mampiombona ve ny vahoaka ifotony amin’ny famelana ny vahiny hanjakazaka amin’ny tany? Tsy nifampierana, tsy  mampiombona…

Fandrebirebena ihany ny hoe misy kolontsaina vaovao mila volena, raha tsy hanova toe-tsaina sy fomba fitantanana tsinona ny mpitondra. Ratsy sy be lavitra noho ny teo aloha aza ny zava-bitany? Izay tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 50 taona, zakain’ny vahoaka tao anatin’ny telo taona: fivarotan-tanindrazana, famonoana vahoaka miaro tanindrazana, fiarovana ny tsimatimanota…

Hanao ahoana ity taona 2017 ity amin’izany rehetra izany?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.