Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambohidratrimo : notifirin’ny jiolahy ilay zanany sy ny reniny

Nosokirin’ny jiolahy ny varavarankely ao amin’ny efitra fatorian’ny zanaky ny tompon-trano, notafihin’izy ireo, teny Ampahimanga Ambohidratrimo, ny 31 desambra lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Raha vao tafiditra ireo jiolahy miisa efatra, notifirin’ireo tamin’ny basy FC ny lohan’ilay zanaky ny tompon-trano ka maty tsy tra-drano. Vao 18 taona monja ilay zanaky ny tompon-trano maty ity. Taitra tamin’ny feom-basy ny ray aman-dreniny ka nidina hijery ny zava-misy ary ilay ramatoa no nandeha aloha. Vao tafidina ity farany, tonga dia notifirin’ireo jiolahy ka naratra niparitahan’ny bala ny tarehiny sy ny tratrany. Namaly tamin’ny tora-bato ilay raim-pianakaviana ka nirifatra nitsoaka ireo jiolahy.

Tsy nisy zavatra azon’ireo jiolahy noho izany. Tonga teny an-toerana ny zandary ary efa nanao ny fanarahan-dia saingy efa tafaporitsaka ireo jiolahy. Mandeha ny fanadihadiana momba ity tranga ity, ary mbola tsy nisy tratra aloha hatreto. Efa nisy ihany ny olona nohenoina momba izany. Raha ny filazan’ny olona, mafampana amin’ny asan-jiolahy any an-toerana, saingy tamin’ity vao nisy famonoana tahaka izao. Mitaintaina ny mponina noho izany.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.