Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vinaninkarena Antsirabe : kamiao tratra nitondra vato tsy ara-dalàna

Tratran’ny zandary mpisava fiara teo Antsirabe ny kamiao semi-remorque, nitondra vato tsy misy taratasy milanja 10 taonina, tany amin’ny RN7 PK 176+200, fokontany Vinaninkarena.

 Karazany antsoina hoe “vato mena” an’ny orinasa iray avy any Ilakaka ho aty Antananarivo.

Nampandrenesina ny “service des mines” ary notazomina ao amin’ny zandary Antsirabe ireo vato mandra-pahatongavan’ireo tompon’andraikitra.

Mateti-pitranga ihany koa ny fitondrana vato tsy ara-dalàna avy any amin’ny faritra, indrindra ny avy any Ilakaka iny. Mahalana kosa anefa ny ahatrarana izany, satria mety tsy voasavan’ny zandary, na misy ny firaisana tsikombakomba. Anisan’ny olana miseho lany ihany koa ny resa-bato eto amintsika. Tsy hita popoka izay hiafaran’ny vato sy ny momba azy avy eo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.