Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy afaka faran’ny lohany…

Tsy afaka faran’ny lohany…

Toy ny fiandohan-javatra ihany ny fiafarany: raha tsara fiandoha izay atao na ny dia, heverin’ny Malagasy teo aloha fa toy izany avokoa ny tohin’ny sisa rehetra hatramin’ny farany; raha ratsy kosa izany, ratsy fiafara.

Izay ny hoe faran’ny lohany, ary ny hoe tsy afaka faran’ny lohany: tsy afa-miala na tsy mahahoatra izay niandohana. Izay ve ity taona mifarana ity, raha jerena ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka?

Ahoana tokoa no niandohan’iny taona iny? Fifandroritana sy gidragidra ny momba ny fifidianana loholona: feno fandrahonana sy jadona, fampiasam-bola sy kolikoly, tsy fanajana ny tsiambaratelon’ny fifidianana…

Mahery sy mandresy hatrany ny eo amin’ny fitondrana? Miara-dia amin’izany ny teniko fe lehibe sy kolikoly saika amin’izay miseho sy atao rehetra. Tanana zatra manolotra sy mandray, tsy afa-mijanona intsony?

Izay mandainga amin’ny voalohany, mandainga hatramin’ny farany hanamarinan-tena amin’ny lainga voalohany. Na hanamarinana ny lainga efa vita… Toy izany koa ny teny nomena, ny fampanantenana, ny fanamby…

Nahery vaika ny delestazy nandritra ny taona, ny tsy fandriampahalemana, ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny kere any atsimo… Tsy hita izay tena afitsoky ny mpitondra amin’izany.

Eo ny ady tany sy ny fivarotan-tanindrazana amin’ny vahiny, tsy ifampierana na ifanazavana fa tian-kano tsy tian-kano; ny amboletra amin’ny fampandaniana lalàna itsy sy iroa tetehina hamelezana olona, raha ny fijerin’ny sasany.

Santionany amin’izay vita ireo. Eo ny tsirairay sy ny tantara… mitsara. Tsy izao taona mifarana izao ihany aza no tsy afaka faran’ny lohany, fa ny fitondrana hatrany am-piaingana. Toy izay niandohany ny mbola ho tohiny…

Hanao ahoana? Tsy afaka faran’ny lohany: fieritreritra, fanapahan-kevitra, fanambarana hery… Fandinihana izay hatao izao faran’ny taona izao. Mirary ny tsirairay sy ny isan-tokantrano ho samy hahatratra ny taona vaovao.

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.