Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Lasan’ny jiolahy ny piano lehibe iray marika Yamaha nandritra ny vaky trano teny amin’ny fokontany Iavoloha Andoharanofotsy, alatsinainy vao maraimbe teo. Efa maraina vao nahatsikaritra ny mpiambina ity trano novakin’ny jiolahy ity fa maty nisy namono ny alika roa tao an-tanàna. Voalaza fa tsy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’io fotoana io fa lasa any Toamasina.

Dahalo roa maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa lahy isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana tao Ampasimainty Bekorobo, ny talata tolakandro teo. Voalaza fa dahalo ampolony maro teo indray nirohotra niditra an-keriny nangalatra omby tao amin’ity fokontany ity. Nanara-dia avy hatrany ny zandary ka raikitra ny fifandonana raha vao niala 5 km ny tanàna ireo dahalo. Tafaverina ny omby rehetra.

Les commentaires sont fermées.