Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analamahitsy : mpandoko nianjera teny amin’ny rihana fahatelo

 Maty tsy tra-drano ilay mpandoko nianjera avy eny amin’ny rihana fahatelo eny Analamahitsy, afakomaly. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza, nianjera tampoka avy eny ambony tohatra ity mpandoko ity raha iny hampiakatra loko iny no nisolifatra tampoka. Trano lehibe iray misy rihana telo ity nolokoiny ity kanjo namoy ny ainy tampoka teo am-pandokoana izy. Vokany, nianjera niaraka tamin’ny loko avy eny ambonin’ilay trano nolokoiny ka tsy avotra intsony. Vaky ny lohany, tapaka ny tratrany sy ny tanany. Hataraina ny an’ireo olona teny Analamahitsy sy ny manodidina raha nahita ity loza nitranga tampoka ity. Nanao izay ho afany ihany ireo olona teny an-toerana tamin’ny famonjena ity raim-pianakaviana niharam-boina ity, saingy tsy avotra intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra taminy.

J.C

Les commentaires sont fermées.