Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikasana haka an-keriny : tovolahy tsy ampy taona voasambotra

Mivoatra ny fakana an-keriny? Tovolahy tsy ampy taona no irahin’ny jiolahy hanao ny “mission” tany Toamasina. Tratra ihany anefa ny iray amin’ireo andian-jatovo saika haka an-keriny zanaka mpisolovava iray. Mipetraka any Tanamakoa ity farany. Tafaporitsaka kosa ny naman’ilay tovolahy io. Raha ny fitantaran’ny nokasaina halaina ankeriny, isaky ny mirava mianatra ny tenany no arahin’ ireo tovolahy. Miisa efa-dahy be izao ry zareo fa ny tolak’andron’ny zoma teo kosa, noteren’ ireto tovolahy ireto hakana vola 20.000 Ar izy. Nobedain’ izy efa-dahy ilay zanaka mpisolovava ary nokarohin’ izy ireo ny paosy ka lasa ny vola sy finday. Nisy nahita izany rehetra izany ka tafaverina ihany ireo fananana. Nitohy ny alatsinainy  teo ny fanarahan’ ireto andin-jatovo an’ ity zanaka mpisolovava ity. Efa teo amin’ny vavahady, tratra ny iray. Nandritra ny fanadihadiana, no fantatra fa nisy naniraka ireto tovolahy ireto ary mbola samy mpianatra avokoa no manodidina ny 17 taona avokoa. Andrasana ny tohin’ny famotorana hahafatarana an’ izay ambadik’ ity raharaha ity indray.

Sajo sy Yves S.

Les commentaires sont fermées.