Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anosipatrana : novakin’ny vahininy ny tranon’izy mivady, very ny entana rehetra

Anosipatrana  : novakin’ny vahininy ny tranon’izy mivady, very ny entana rehetra

 Tsy iza fa ny vahinin’izy mivady nampiantrano ny jiolahy iray antsoina hoe Jean Yves ihany no namaky ny tranon’izy ireo eny Ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny 25 desambra 2016 lasa teo…

 

Saron’ny polisy teny Ilanivato Anosipatrana ity jiolahy ity taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy. Voalazan’ny polisy fa nandeha namonjy toeram-pilanonana izy mivady tompon-trano niaraka tamin’ity vahininy ity, ny alin’ny 24 desambra 2016 teo. Fantatra fa vao tonga avy any Nosy Be ity vahinin’izy mivady ity tamin’io fotoana io. Nony nipaika ny 25 desambra 2016 tamin’ny 1 ora maraina, nangataka fanalahidin’ny trano tany amin’izy mivady ity vahininy ity izay nilaza fa te hatory ka handeha hody. Nanome izany tsy am-pihambahambana tokoa ilay ramatoa tompon-trano. Tonga ny tamin’ny 3 ora maraina, nody ihany koa izy mivady. Akory anefa ny hatairan’izy ireo nahita ny fikorontanan’ny efitrano misy azy ireo raha nahatsikaritra fa very daholo ny entana tao an-tranon’izy ireo. Lasan’ity vahiny nanao asan-jiolahy ity ny vola mitentina 320 euros, tablette iray, fakan-tsary iray, antontan-taratasy samihafa azy mivady, tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina mankany Maorisy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy avy hatrany izy mivady.

Fantatra taorian’izay fa i Jean Yves, vahinin’izy mivady ihany no nangalatra ny entan’izy ireo. Nilaza ity jiolahy ity nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa vao avy nangalatra sy nivarotra ny volamenan’ny anabaviny tany Ambilobe ary nitsoaka niakatra taty an-drenivohitra ka nialokaloka tao amin’izy mivady eny Anosipatrana kanjo izao nangalatra tao an-tranon’izy mivady izao indray.

J.C

Les commentaires sont fermées.