Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampasika : jiolahy tratra teo am-pangalarana moto

Ampasika : jiolahy tratra teo am-pangalarana moto

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito eny 67 ha teny amin’ny rond point Ankasina, ny alin’ny 24 desambra 2016 lasa teo ny jiolahy iray, 29 taona niaraka tamin’ny basy PA niaraka tamin’ny bala. Araka ny fanazavan’ny polisy, tsikaritry ny olona nipetraka tao anaty fiara tsy lavitra teo ny fihetsiny izay nikasa hangalatra moto iray nijanona teo amoron-dalana eo Ampasika. Namoha avy hatrany tamin’ny fanalahidy teny am-pelatanany ilay jiolahy, saingy tsy nety velona ilay moto. Tsikaritr’ireo olona tao anaty fiara ny fihetsik’ilay jiolahy nikasa hangalatra ity moto ity ka niantso ny tompony avy hatrany izy ireo nilaza fa misy mitady hangalatra ny motony. Fantatr’izy ireo rahateo ny tompon’io moto io. Nifanenjehan’ny olona teny amin’ny manodidina an’Ampasika ity jiolahy ity ka saika tratran’ny fitsaram-bahoaka. Nandritra izany, fantatra fa misy basy PA niaraka tamin’ny bala teny am-balahany. Entiny mampihorohoro ny manodidina azy io basy io. Tsy vitan’izany fa mbola nisandoka ho mpitandro filaminana ity jiolahy ity. Nampitahoriny tamin’io basy io ny olona teny Ampasika, saingy voatazon’ny olona ihany izy.

J.C

Les commentaires sont fermées.