Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : olona telo maty, 76 naiditra hopitaly nandritra ny fetin’ny Krismasy

Toamasina  : olona telo maty, 76 naiditra hopitaly nandritra ny fetin’ny Krismasy

Azo lazaina ho nilamindamina ny tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe Toamasina nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy teo. Ny alin’ny asabotsy 24 desambra 2016 nahatratra 70 ireo tonga nanao fizahana ka tsy maintsy nohazomina tao amin’ny hopitaly ny 28 amin’ireo. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo ao amin’ny sampana vonjy taitra , raha oharina amin’ny fety rehetra, azo lazaina ho nidina ny tahan’ny olona nila vonjy taitra tao amin’ny Hopitalibe. Miisa 169 kosa ireo olona nila fizahana niantomboka ny zoma alina ka hatramin’ny alahady alina. Mahatratra 76 araka izany ireo tsy maintsy naiditra hopitaly. Tsy nisy kosa ny maty teo anivon’ny hopitaly fa olona telo maty avy any ivelany no tonga tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly.

Niakatra ny isan’ireo naratra…

Amin’ny ankapobeny, tsy nahitana fanapoizinana ara-tsakafo na iray aza tao Toamasina raha ny tatitra voaray teo anivon’ny sampana vonjy taitra. Niakatra kosa anefa ny ratra vokatry ny ady ary faharoa manaraka izany ny lozam-pifamoivoizana nahatratra 26 ireo tranga voaangona tao anatin’ny kahieben’ny Hopitalibe. Ny efatra tamin’ireo naratra ireo, notrongisin’ny fiarakodia ny tranon’izy ireo ka naratra vokatr’izany izy efa-mianaka. Toy ny mahazatra, nisy marary roa nandositra ny hopitaly raha roa hafa tsy nanaiky hiditra tao amin’ny hopitaly na teo aza ny ratra nahazo azy. Lehilahy roa hafa koa tsy nahatsiaro tena noho ny hamamoana diso tafahoatra. Voalazan’ny mpitsabo fa noho ny fifangaroan’ny zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelina ny antony nahatonga azy ireo tsy nahatsiaro tena.

Tsy nieren-doza, araka izany, ny fety tao an-tanànan’i Toamasina.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.