Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Un repas pour mille” : afaka nanao Krismasy ireo sahirana

“Un repas pour mille” : afaka nanao Krismasy ireo sahirana

Notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ilay tetikasa “un repas pour mille” izay namahanana sakafo ho an’ireo fianakaviana sahirana. Fandaminana nataon’i Hilda hasinjo, olom-pirenena sasy mpanao gazety ity natao izy ka olona maherin’ny 1.000 no afaka nisakafo sy nanao Krismasy.

Nanomboka ny 4 novambra i Hilda no nandefa antso tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy momba ny ny tetikasa “un repas pour mille”.

Nangarahara ny fitantanana ireo tolo-tanana rehetra ary nipetraka ny fitokisan’ny olona ka izao tratra izao ny tanjona. Nifarimbona niaraka tamin’ny mpikaraka ireo mpilatsaka an-tsitrapo maherin’ny 150 izay nanampy tamin’ny fanatontosana ny hetsika.

Notsongaina manokana ireo tena fadiranovana  toy ny mponina teny « La Réunion kely » sy mpatory an-tsena sy eny ambany tetezana.

Fanairana ny sain’ny tsirairay hihetsika sy handray anjara amin’ny fanampiana ny hafa na dia birika ihany aza izao hetsika nataon’i Hilda ho an’ny mahantra izao.

Les commentaires sont fermées.