Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Raharaha A. Augustin » : hivoaka rahampitso ny didy

Herinandro rahampitso. Hamoaka ny didim-pitsarana momba ny « Raharaha Andriamananoro Augustin » ny eo anivon’ny fitsarana raha tsy misy ny fiovana. Notanana vonjimaika (MD) eny Antanimora ity filoha lefitry ny Mapar ity taorian’ny fifandaharana ny talata lasa teo tetsy Anosy. Tsy nahazo fahafahana vonjimaika (LP) ny tenany na nangataka izany aza ny mpisolovava ka nahatonga azy nanao fetin’ny Noely tany am-ponja. Tsiahivina fa anisan’ny anenjehana ity minisitry ny Paositra teo aloha ity ny fanakorontanam-panjakana sy ny fitarihana hetsika tsy nahazoana alalana tany Soamahamanina ny volana septambra teo. Nanda ny fiampangana azy hatrany ny tenany. Nisy rahateo ny vavolombelona  nijoro ankoatra ny fiarovan’ny mpisolovava azy. Naseho hatramin’ny horonantsary maneho fa tsy anisan’ireo nitarika ny hetsika ny tenany tamin’io fotoana io. Araka izany, hanenjana ny didy havoakany ny mpitsara manoloana ity olon’ny Mapar ity mba ho fampihorohoroana ireo mbola mikasa hanao hetsika ? Didy fampitandremana ho an’ireo miana-kendry hanohintohina ny fitondrana ? Hitazam-potsiny ve anefa ny Mapar manoloana izany ?

Ho avy ny vahoakan’i Soamahamanina

 Efa nisavorovoro ny tetsy amin’ny fitsarana Anosy tamin’ny tsy mbola namoahana ny didim-pitsarana ny talata teo ary nifanjevo sy nifanenjika tamin’ny fiara nitondrana an’Andriamananoro Augustin nihazo an’Antanimora. Mety hampivoaka ny fanginan’ny mpanorina Mapar, Rajoelina, ny raharaha raha didy henjana ny hivoaka eo ? Efa mandeha rahateo ny fanentanana any anaty tranonkalam-pifandraisana any amin’ny hirodorodoana etsy Anosy, ankoatra ireo vahoakan’i Soamahamanina efa ho avy eo. Mety hizotra amin’ny fampitoniana koa anefa izany didim-pitsarana izany ka tsy hifanalavitra amin’ny nihatra amin’ireo zanak’i Soamahamanina dimy efa notsaraina ary mitovy vesatra iampangana amin’ity minisitra teo aloha ity. Sazy mihantona herintaona an-tranomaizina ?

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.