Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manerinerina : olona roa nahatrarana rongony sy paraky gasy

Manerinerina  : olona roa nahatrarana rongony sy paraky gasy

 Rongony milanja 17 kg sy paraky gasy milanja 74 kg indray saron’ny zandary avy ao amin’ny kaominina Manerinerina distrikan’Ambato Boeny, ny alatsinainy 19 desambra 2016 teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, taorian’ny hetsika “Mazava” nanatanteraka fanakanana ireo fiara rehetra mandalo ao Manerinerina ireo zandary any an-toerana mba hitandroana ny fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona 2016 izao. Nahitam-bokany izany hetsika nataon’ny zandary izany satria taksiborosy roa samy hafa no nahatrarana ireto zava-mahadomelina ireto. Ny voalohany, fiara taksiborosy avy any Ambalafamito Antsohihy izay hihazo an’i Mahajanga ka tovolahy iray 22 taona, nitondra rongony 17 kg. Ny faharoa kosa taksiborosy avy any Bemololo Port Bergé izay hihazo an’Andriba nahatrarana paraky gasy 74 kg nentina raim-pianakaviana 64 taona. Nogiazan’ny zandary avy hatrany kosa ireto zava-mahadomelina ireto. Hatolotra ny fitsarana kosa izy roa lahy aorian’ny fanadihadiana. Hodorana ao Manerinerina ny rongony raha hatolotra ny ao amin’ny Office Malgache du Tabac kosa ilay paraky gasy. Naiditra fourrière kosa ireo fiara nitondra entana tsy ara-dalàna.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.