
Vory lanona teny Mandrosoa Ivato, omaly ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny Vondrona orinasa Andriantsitohaina, mialoha ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao. Nitarika izany ny tale jeneraly (DG), Andriantsitohaina Naina. Niara-nifaly sy nisakafo ny rehetra tamin’io fotoana io.
Lahateny fohy nefa mafonja. “Andro iray toa zato ny andro anio. Sambany mantsy tafavory sy mihaona eto amin’ity toerana ity isika mpiara-miasa rehetra ato anatin’ny “Vondrona orinasa Andriantsitohaina” . Anisan’izany ohatra ny Niag, Prochimad, Ultimamedia… Arahabaina ianao Atoa filoha tale jeneraly (PDG) mivady sy ny ankohonanao. Eo koa ianareo mpiasa isan-tokony rehetra, ianareo mpitantana sy ny tompon’andraikitra…”, hoy ny DG. Nanteriny fa eo ny olana sy ny fahasahiranana ara-toekarena nolalovan’ny firenena, kanefa ny mahafaly fa mbola mijoro sy miasa ara-dalàna avokoa izao ireo orinasantsika ato anatin’ny “Vondrona Andriantsitohaina”. “Manaporofo izany fa orinasa miaina, ary afaka misedra ny vanim-potoana ny orinasa ato anatin’ny “Vondrona Andriantsitohaina”. Matoa tanteraka anefa izany, teo koa ny ezaka nataonareo tsirairay avy. Koa misaotra sy mankasitraka anareo izahay”, hoy ihany izy.
Nirary soa ho an’ny rehetra ny tenany avy eo mba hanao fetin’ny krismasy sambatra, sy fetin’ny faran’ny taona amim-pifaliana hatrany. “Mirary anareo sahady koa hahatratra ny taona vaovao 2017”, hoy izy. Nitohy amin’ny korana sy dihy ary hiea izany avy eo.
Taratra
Les commentaires sont fermées.