Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsirabe : tratra ireo jiolahy nisandoka ho mpiasan’ny Jirama

Noraisim-potsiny ireo jiolahy efatra malaza ratsy amin’ny fisandohana ho mpiasan’ny Jirama ao Antsirabe. Voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa mody manao badge misy mari-pamantarana amin’ny maha mpiasan’ny Jirama ry zalahy ary mitety trano. Milaza izy ireo fa hanamarina kaontera ny anton-diany ao amin’ilay tokantrano idiran’izy ireo. Rehefa avy jeren’izy ireo ny kaontera dia milaza amin’ny tompon-trano ry zalahy fa misy tsy fetezana sy hosoka izany kaontera izany. Mody manao kajikajy ny vola tokony haloan’ny tompon-trano ry zalahy noho izay hoe tsy fanarahan-dalàna izay. Tonga hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ar na migadra araka ny misoratra amin’ilay faktiora vokatry ny fanarahan-dalàna. Nikoropaka avy hatrany ilay olona tao amin’ny tokantrano iray ka nifampiraharaha ka 8 hetsy Ar no homena azy ireo raha tsy te higadra sy hotorian’ny Jirama. Nesorina mihitsy ilay kaontera fa hoe hamboarina ary hapetaka indray aorian’izay. Naka vola 3 hetsy Ar ry zalahy ka rehefa mamerina ny kaontera ny hariva vao aloa ny 5 hetsy Ar ambiny. Nisy renim-pianakaviana iray kosa niantso olom-pantatra tao amin’ny Jirama Antsirabe ka tratra ireo mpisoloky.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.