Nirefodrefotra indray ny poa-basy tao amin’ny fokontany Vohimary Avaratra, kaominina Manambidala distrika Vondrozo, afakomaly tolakandro. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, tsy milamina mihitsy ity distrika ity tanatin’ny andro maromaro izay. Andian-dahalo miisa eo amin’ny 200 eo ho eo no tonga niditra an-keriny tao an-tanàna. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny miaramila taorian’izay ka izao nifanehatra izao ka niafara tamin’ny fifampitifirana izany. Vokany, lavon’ny bala ny efatra amin’ireo dahalo. Afa-nitsoaka kosa ny naman’ireo namoy ny ainy na teo aza ny fisian’ireo naratra.
Fa lasan’ny dahalo maromaro nitondra basy Mas 36 sy basim-borona koa ny omby ampolony maro tao amin’ny fokontany Ambohimpandriana Andriamena Betsiboka, afakomaly ihany. Nisy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona taorian’izany. Nambenana avy hatrany ny kizo mety hitsofohan’ireo dahalo ireto.
Efa ho lava ary tsy ahitam-bahaolana mihitsy ity asan-dahalo ity. Niraradraraka ireny ny kintana teny Iavoloha. Nakarina grady avokoa ny ankamaroan’ireo jeneraly maromaro mitàna andraikitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy. Fotoana izao tokony hampisehoan’izy ireo ny fahaiza-manaony amin’ny hijerena vahaolana sy paikady maharitra hamongorana ny asan-dahalo fa tsy vitan’ny mievotrevotra eo ambony galona fotsiny.
Randria
Les commentaires sont fermées.