Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Samy manana ny mpamonjiny !

Samy manana ny mpamonjiny !

Andro manan-daza satria vanim-potoana tokana tsy hisian’ny poa-basy any amin’ireo firenena miady ! Andro manan-danja eo amin’ny kristianina satria nahaterahan’Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Fa ho an’ny Malagasy ? Vanim-potoana mampitsetsetra ireo ankizy tsy mba afaka miakanjo vao na mahazo kilalao avy any amin’ny Dadabenoely. Andro mampangorintsina ireo ray aman-dreny tsy mba afaka manome sakafo tsara ny zanany. Izay ilay Noely ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy.

Na teraka tamin’io andro io ny Mpamonjy na tsia, nanomboka teo amin’ny vanim-potoana nidiran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona teto Madagasikara no efa nila mpamonjy ny Malagasy sy i Madagasikara. Talohan’izay, nahavelona azy ny taniny. Niaina ny « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha » izy (Malagasy). Natahotra ny tsiny sy ny tody izy, sns.

Tsy ireo midradradradra « nahaterahan’ny Mpamonjy, nahaterahan’ny Mpamonjy » ireo ihany ve anefa no nahatonga ny Malagasy sy i Madagasikara hila vonjy ? Sa, sanatriavina, natao izay itadiavan’ny tany zanahana vonjy mba ahazoana mampahalala azy ireny fa ity na itsy ny mpamonjy, ny ankoatra izay tsy izy?

Nila vonjy na mpamonjy ve ny Malagasy sy i Madagasikara talohan’ny nidiran’ny vahiny teto ? Eny, fa mety tsy tahaka izao endrika ahitana azy ankehitriny izao (Malagasy fadiranovana, Madagasikara robain’ny vahiny, fiarahamonina tsy matahotra an’Andriamanitra, fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny aina…) ilay vonjy nilaina fa zavatra hafa mihitsy…

… Ka tsy efa famonjena lehibe ho an’i Malagasy sy ho an’i Madagasikara ve ireny volabe trosaina etsy sy eroa ireny e ? Raha misy sahy mamaly io fanontaniana io amin’ny hoe « famonjena ho an’ny Malagasy ireny », aleo samy hanana ny « mpamonjiny » !

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.