
Hatairana ny an’ireo mponina teny Ampitatafika raha nahita fatin-dehilahy iray, afakomaly maraina. Somary mampiahiahy ny rehetra ny fahitana azy satria nahitana ratra teo amin’ny lohany…
Vonoan’olona sa namono tena? Tsy mipetraka eny amin’iny faritra Ampitatafika sy ny manodidina iny ity lehilahy niharam-boina, araka ny fanazavan’ireo olona teny an-toerana. Tsy nisy taratasy namantarana azy rahateo tany aminy. Manahy ny rehefa fa mety ho vonoan’olona ny ambadik’izao satria nahitana ratra sady mangana teo amin’ny lohany sy ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny zandary tonga nanao ny fanadihadiana. Ny olona teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra fa tsy nihidy ilay trano sady tsy nisy varavarana satria somary efa haolo sady feno korontan’entana ity toerana nahitana ny fatin’ity raim-pianakaviana ity. Tsy hita soritra teny aminy hoe voaendaka izy, saingy mampametra-panontaniana ny rehetra ny nahafaty azy. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary araka izany no mamaritra sy hamantarana ny marina rehetra momba ny nahazo ity niharam-boina ity. Nohamafisin’ireo mponina hatrany anefa fa tanàna azo lazaina no milamindamina ihany iny Ampitatafika sy ny manodidina iny na eo aza ny fisian’ny trangana fanafihan-jiolahy indraindray.
Amin’izao ankatoky ny fety izao, aoka ho mailo hatrany amin’ny tsy fandriampahalemana. Manao ny ataony koa jiolahy satria manararaotra noho ny fahamaroan’ny olona mivoaka ny trano. Manginy fotsiny ny fanendahana miharo sinto-mahery.
J.C
Les commentaires sont fermées.